Tantara ny Andriana eto Madagasikara

From Wikisource
Jump to navigation Jump to search

LOHA-TENY[edit]

Ry Merina, diniho sy vakio matetika hiany ny tantara sy ny fomba nentin-drazana. Ny tantara raha vakina mia­dana sy amy ny fitandremana, mahasoa sy manome hevitra mahatoky amy ny izay mety hatao. Inona no hevitry ny tantara, afatsy milaza marimarina ny soa na ny ratsy natao ny izay tao aloha ntsika ? Aoka ny fahatsiarovana ny soa natao ny handrisika antsika amy ny mety hatao ! Aoka ny fahalalana ny nahadiso azy, hampitandrina antsika mafy fandrao mbaho diso hevitratahak' azy ! Ny tantara tsy mian­gatra : tsy maintsy ho lazaina, raha tsy anio dia rahampitso, ny mety sy ny tsy mety, na natao n'iza na natao n'iza. Koa amy ny izany, vakio ny tantara milaza ny nanjakany ny raza' nareo, ary indrindra tandremo tsara izay vaki' na­reo ; eritrereto ny ntandohàny ny zavatra rehetra lazainy ny tantara. Tsy misy tahaky ny fiheverana sy ny fitandrema­na mba hahalala zavatra. Ny olona sy ny zavatra dia mi­fampisolo hiany, fa ny fomba sy ny fo ny olombelona tsy miova. Izay mahalala marimarina ny tantara ny taranaka tao aloha, dia mba mahalala antontntonina ny tantara anke­hitriny sy ny ho avy. Noy ny taratasy no soratany ny Malagasy Lamy ny talolia, ka Ombiasy no nanoratra azy.

FAMELARAN-KEVITRA[edit]

Ity Tantara ity dia ohatry ny zaza vao teraka. Efa ela no nitondran­dreny azy tao ankibo ny ; ka teraka izy ankehitriny. Iza moa no reny ny? Ary iza no atao zaza vao teraka? Dia i Marina no reny ny, ary ity Tanta­ra ity no zana'ny. Kandrefa na dia zana'ny aza, matahotra izahay fan­drao zanaka tsy fanta-dreny ny loatra. Ka inona moa no tsy hahatanta­ran-dreny ny azy raha zana'ny tokoa? Tsy misy afatsy ny laingia. Ka ny anaova'nay 'zany, andrao nisy olona nilaza lainga s) nanome vohony anay, mba tsy hahamarina ary tsy hahasoa ity Tantara ity. Ary izahay no miteny toy izany, satria tsy dia zavatra voa soratry ny olon-kendry avokoa no natonta nay, fa niampy lazan' olona hiany. Koa amy ny iza­ny raha misy amintsika mpamaky, mahita teny diso, na zavatra tokony ho lazaina ka tsy mby ato, dia avia milaza mba hisy hanitsia'ntsika azy amy ny ao aoriana. Ary mety indrindra raha tsy aninia'nareo anay, na izay nilaza tamy nay araky izay fahafantara' ny, fa tsy mba nihevitra ha­mitaka : fa fanta' tsika rehetra, fa tsy mba soratra no nihiazona'ny azy, fa tadidi-aava ; koa raha tadidy vava, rahefa ela no nifamindrafindra'ny, dia tsy maintsy hiampy na hahafahana kely, araky ny oh&-bolana manao hoe : Ny teny toy ny hena ka raha roritina tonga hosatra. Fangao ho­:atra hiany ity zanaka vao teraka ity ka fay ampy ny nofo ny 1 Koa oha­bolana indray no faran' izany: Teny natsipy ny mpanam-panahy ka rai­siny ny mpisaina.

IREO TOKO[edit]