Ny foko nanidina

From Wikisource
Jump to navigation Jump to search
Ny Foko Nanidina
by Jean-Joseph Rabearivelo

Ny foko nanidina ambony dia ambony
ary saika nitsetra izay faran'ny avo
kanefa voadona ka tsy afaka intsony
naratra ny elany - ka indro izy lavo!

Naniry hihoatra anao, ry masoandro
mazava! Naniry tsy hijanona akory
na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro:
ny alina tamy ary koa sorisory!

Koa haizina anie re no sisa mamonto
haizi-mitambatra sy mivangongo
Rotsiako mangina ny foko efa donto
ary safosafoiko ny masoko bongo!

A!toa efa hionona izany alahelo...
Sy hafeniko mba hijanona angaha!
O tsia! fa ny sentoko mamelovelo,
ary izaho tsy mandre afa-tsy ny fofon-dra