Ny Tantara ny Ntaolo : Période Faharay, Fizarana I, toko I

From Wikisource
Jump to navigation Jump to search

HATR' AMY NY IREO VAZIMBA, KA HATR' AMY NY RAFOHY SY RANGITA TEO ALASORA, (TEMPS FABULEUX).
Maro samihafa ny filaza amy ny ireo Vazimba. Lovan-tsofina, fa tany aloha nony nanjakan' andriana voalohany teto Merina, dia efa misy ny Vazimba izay samy mipetraka amy ny tany anjaka'ny. Ary tsy toha ny Andriamanelo sy Ralambo sy Andrianjaka ireo Vazimba mizarazara tany sy fanjakana ireo, koa natosi'ny handao any Marina. Ka tsy efa vetivety foana izany, fa nony nanjaka Lndrianjaka vao hay no farany ny vazimba tato Marina. Mandrak' ankehitriny tsy misy olona mahazo milaza marimarina: ny firenen' olona nihaviany ny Vazimba ; ny voalohan' olona tonga tamy ny tany Madagascar na Vazimba, na Ombiasy, na ny hafa indray. Ity tantara voa soratra ity dia milaza ny nisiany ny Vazimba tamy ny taloha taty Marina ; ka tsy mbola lao izy fony nanjaka Andriamanelo, Ary zavatre ho hita ny mpamaky io taratasy io, ny nandresen-dRalambo azy teny avaratra, ka tsy lao tamy ny izay izy, fa nandositra niankandrefana. Ary dia tsy ity soratra ity hiany no filazana amy ny fisiany ny Vazimba, fa ny lovan-tsofina mb'amy ny oha-bolana sy ny fanao sasany aty Marina, no milaza koa To' izao ny oha-bolana anankiray Ny Vazimba no mankarary ny akoho no mihanton-doha (mby amy ny fasam-Bazimba). Dia natao ny Ntaolo fa ny fasam-Baiimba no itoerany ny Vazimba, koa ivoadiana ho fanaketrahana ny hatezera'ny ; satria marary ny olona fahiny ka natao ny fa ny manitsaka ny fasany.ny Vazimba no nihaviany izay aretina, koa nasia'ny haja amam-pifonana sy voady amam-bavaka ny fasam-Bazimba. Ary to'izao no voady fanao. Dia apetraka eo amy ny vato-vazimba ny loh' ondry na loh'akoho... izay zavatra nivoadiana, ka ilaozana. Any asiana vakampotsy koana maiombóla ka ilaozana. Ary ivoadiana to'izany, indrindra raha mandeha an-dálana ny olona « raha hody tsy maninona aho, hoy izy, dia tonga hamo- « no akoho amy nao aho ; » ary raha te-hanan-janaka koa ny vehivavy, dia tenénina torak'izao ny vato-vazimba « hianao andriamanitra tompo ny tany, mba « omeo ma! raha tàhiny manambina ahy dia hamono ondry ho anao aho.» Dia vonoina ny ondry nivoadiana, dia haniny ny nipianakavy, dia hosora-menaka ny vato-Vazimba. Ary koa misy izay firenen-gasy aty Marina, izay taranaky ny Vazimba, hono: ny Antehiroka no isa ny. Ary hoy ny sasany : « Vazimba natao hoe Zafim-bazaha, ka Andriambazaha « no raza'ny, ary Dilambato no nilevenan' Andriambazaha, k'izany no anaovana « hoe Ny larehy ko ralsy angaha no zaha'nao, fa Ivy ny havana avy any Dilam- « bato, oha-bolana izany mandrak'ankehitriny. K'izao rehetra izao no ilazako hoe : fa mba tokony ho marina tokoa, fa nisy Vazimba taty tamy ny taloha ; koa tsy mba angano daholo ny tantara rehetra no lazainy ny olona amy ny izany, arak'izay filazany ny sasany manao izany ho angano ihomehezana. Ka ny amy ny Ombiasy, dia izao no mety ho lazaina : Fa misy malagasy anankiray izay hendry, ka mahay zavatra, nanoratra hoe: « Tao aloha no nisehoany ny Vazimba tamy ny tany Madagascar, ftiry Ombiasy « sasany hendry nitahiry taratasy milaza ny tan tara ny mponina voalohany tao « Madagascar. Izany tantara izany dia voa soratra amy ny teni-gasy ; ny tarehin- « tsoratra dia soratra arabo. Fa ankehitriny toa tsy misy intsony izay manana ny tantara ny Ombiasy. » ( Gram. du P. Basilide). Aoka ho hita izany tantara ny Ombiasy izany !

FILAZA SAMIHAFA, NY ANY NY NISEHOANY NY ANDRIAMANJAKA NANJAKA TATY.[edit]

FILAZANA VOALOHANY, (manuscrit no nahazoan' azy.)[edit]

Andrianamponga. Ary ny andriana no nanjaka kosa, Andrianamponga[1] nanambady an-dRampanambonitany nonina teo i Fanongoavana; ka niteraka an' Andrianamboniravina etsy Beravina atsinanan' Ankadivoribe. Very tantara izy.

Andrianamboniravina. Andrianamboniravina nanambady an-dRampoloalina teo Ambatondrakorikia, niteraka an' Andriamoraony sy Andranolava. Ary nony antitra Andrianamboniravina, dia niera ny vahoaka nanao hoe : Aiza Andriamoraony fa hianao no lahimatoa ny Marina, fa efa ho masina ny andriana. » Ary hoy

Andriamoraony : « Mora ony aho fa tsy an-drano-lava ; kiady aho, fa tsy tompo ny saha : fa mankanesa atsy amy n' Andranolava. » Dia Andranolava zandry ny no nanjaka, fa Andriamoraony no nanoa.

Andranolava. Ny nanjakan' Andranolava vadindRasoalimanjaka teo Ambatondrakorikia no nonina, niteraka an-dRafandrandava teo Ampandrana. Very tantara izy.

Rafandrandava. Ny nanjakan-dRafandrandava vadin-dRamanalimihoatrambonitany, niteraka an-dRamasindohafandrana. Very tantara. Ramasindokafandrana. Ny nanjakan-dRamasindohafandrana vadin-dRamanalimananambonitany Leo Ampandrana niteraka an-dRafandrampohy. Very tantara. Rafandrampohy. Ny nanjakan-dRafandrampohy vadin-dRasoalimananambonitany teo Ampandrana niteraka an-dRafaudramanenitra. Very tantara.

Rafandramanenitra. Ny nanjakan-dRafandramanenitra vadin-dRafaràmahery teo Ambohimasimbola, niteraka an-dRangitamanjaka sy Ratsiseranina.

Ary Ratsiseranina nanoa teo Andraisisa. Dia havan'andriana no farany. Ary Rafandramanenitra nandevina ny vola ny Vazimba iray lavaka teo andrefan'Ambohimasimbola.

Rangilamanjaka. Ny nanjakan-dRangitamanjakatrimovavy teo i Merimanjaka niteraka an-dRafohy sy Andrianamponga; ka nanoa Andrianamponga. Very tantara.

Rafohy teo Atasora. Ny nanjakan-dRafohy vadin-dRamanahimanjaka teo Alasora niteraka : an' Andriamanelo sy Andriamananitany. Ary nandidy Rafohy, boy ny fandidy ny: « Raha anio tontolo andro, anao Andriamanelo fa lahy matoa hianao, — ary raha ny farany, an' Andriamananitany kosa. » Ary dia niteraka Andriamanelo, niteraka an-dRalambo. Ary niteraka kosa Andriamananitany, niteraka an' Andriamboninolona. Ary nony nandidy Andriamanelo, boy ny fandidy ny: « Hianao Ralambo, zanak'o lahy matoa, ka hampanjakai'ko. ». Ary Andrianamboninolona niteraka an-dRatsitoina-manjaka, nalan-ondrana ho vadin-dRalambo ho tompo ny farany. Ary Andriamananitany nanoa ; teo Ambohitrandriananahary no nonina.

ANARANY NY ANDRIANA, Sy NY TANY NITOERA'NY, hoy ity Manuscrit.

Hatr' amy ny nisehoany ny andriamanjaka nanjaka taty, ka hatr' amy ny Ranavalona II manjaka izao; na ny nanoa na ny nanjaka no amy ny ity.
Andrianamponga vadindRamananiambonitany, teo Fanongoavana.
Andrianamboniravina vadindRampoloalina, teo Ambatondrakorikia.
Andriandranovola vadindRasoalimanjaka, ao Ambatondrakorikia.
Rafandrandava vadindRamana:nihoatrambonitany, ao Ampandrana.
Ramasindohafandrana vadindRamanalimananambonitany, ao Ampandrana.
Rafandrampohy vadindRasoalimananambonitany, ao Ampandrana.
Rafandramanenitra vadindRafaramahery, ao Alnbohimasimbola.
Rangitamanjakatrimovavy, ao Merimanjaka.
Rafohy vadindRamanalimanjaka, ao Alasora.
Andriamanelo vadindRasolobe, ao Alasora.
Ralambo vadindRatsitoina, ao Ambohitrabiby.
Andrianjaka vadindRavadifo, ao Antananarivo.
Andriantsitakatrandriana vadindRavololontsimitovy, ao Antananarivo.
Andriantsimitoviaminandriandehibe vadindRamahafoloarivo, ao Antananarivo.

Andriamasinavalona, vadindRatompoindroandriana sy Ramananimerina sy Ranavalontsimitovy sy Ramananandrianjaka, ao Antananarivo.
Andrianjakanavalomandimby vadindRatsimitoviaminandriana,aoAntananarivo.
Andriampoinimerina vadindRamanantsahalarazaka, ao Antananarivo.
Andrianavalonibemihisatra, ao Antananarivo.
Andriambalohery, ao Antananarivo.
Andrianamboatsimarofy, ao An tananarivo.
Ramaromanompo nitondra tapany, ao Fenoarivo.
Andriantsimitoviaminandriana vadindRaompanananiambonitanimandimby, ao Ambohimanga.
Andriambelomasina vadindRasoherimanananitany, ao Ambohimanga.
Andrianjafy, nitondra tapany, ao Ambohimanga,
Andriantomponimerina, ao Ambohidratrimo.
Andriantrimonibemihisatra, ao Ambohidratrimo.
Andriamanananimerina, an Arnbohidratrimo.
Andriantomponimerina, ao Ambohidratrimo.
Andriambelo, ao Ambohidratrimo.
Ramananandrianjaka, ao Ambohidratrimo.
Rabehety, nitondra tapany, ao Ambohidratrimo.
Andrianavalomanotronimerina, ao Ambohitrabiby.
Andriambonimena vadindRanavalomboahangy, ao Alasora.
Andriamohara, ao Alasora.
Andrianavalonjafy, nitondra tapany, ao Alasora.
Andrianampoinimerina vadindRambolamasoandro, ao Ambohimanga.
Radamalahi-manjaka, ao Antananarivo.
Ranavalo-manjaka 1, ao Antananarivo.
Radama II, nitondra tapany.
Rasoheri-manjaka, ao Antananarivo.
Ranavalo-manjaka II, manjaka izao.
Ary ny andriana nanjaka teo i Mamo. Andriambahoakafovoanitany, tao Manazary.
Andriamanjakatokana, tao Ambohinihaza.
Andriamambandrano, tao Ambohitrondrana.
Andriantsiahofa, tao Manazary.
Andriantomponimamo, tao Ambohitromby.
Ary ny mpanoa kosa. Andriamoraony, ao Ambatondrakorikia.
Ratsiserànina sy Andranomena, ao Andraisisa.
Andrianamponga, ao Alasora.
Andriamananitany, ao Ambohitrandriananahary.
Andriantompokoindrindra, ao Ambohimalazabe.
Andrianjakatokana, ao Anosivato.
Andrianavalona, ao Soràka.
Andriamborosy, ao Ambohidrapeto.
Rakotofananina, ao Anosipàtrana.
Rampimanga, ao Lanivato.
Ralambotsileonolombelona, ao Tangaina.
Andriambetandra sy Andriantsalama ary Andriantomponimaromena, ao Fenoarivo.
Andriambolanambo sy Andrianavalontompo, ao Namehana.
Andrianavalona, ao Ambohitrinimanjaka.
Andriantomponimarovatana, ao Ambohipiara.
Andrianavalontomponibemihisatra, ao Ambohidratrimo.
Andriamanoro, ao Tsiafahy.
Andrianjakamananitany, ao Ambohimanjaka.
Andrianavalontomponatsimondrano, ao Ambohimanjaka.
Andriantsimatahomanjaka, ao Ambohimanjaka.
Andrianavalontompo, ao Andramasina.
Andriambodivato, ao Antongona.
Rabibiandanitra, ao Ranovao.
Rafotsinivahoaka, ao Merinkasinina.
Andrianjakafonitany, ao Fandàna.
Andriandamboandrianjaka, ao Anosikely.
Andrianifonambe, ao Hiaràmy.
Andriantomponibemihisatra, ao Miandrarivo.
Ary ny andriana resy. Razakatsitakatrandriana, ao Ambohimanatrikia.
Andriamboatavo, nankany Mamo.
Andriamasindraibe, lasan' any Vonizongo.
Andrianavalontompo, any Kamoro any amy ny Sakalava.
Rabehety, ao Ambohimanatrikia.
Rabelanonana, ao Ambohimanatrikia.
Andriamaromanompo, aa Ambohimanatrikia.
Andrianjafy; ao Ambobimanatrikia.
Andrianavalonjafy, ao Ambohimanatrikia.
Andriamahazomby, ao Ambohimanoro.

FILAZANA HAFA INDRAY (manuscrit hafa)[edit]

Andrianerinerina[2] eroa Anerinerina, milevina ao avaratr' Ambohimalaza ; any avaratr' Angavokely Anerinrina ; ary Kilonjy ao avaratr' Anerinerina ; (tsy misy olona intsony, fasana ny Zanakambony no ao Kilonjy). Ary Andrianerinerina niteraka an' Andriananjavonana aroa Angavoatsinanana.
Ary niteraka Andriananjavonana an'Andrianamponga.
Ary Andrianamponga kosa niteraka an'Andriandranolava, eroa Ambohimanjaka.
Ary niteraka Andriandranotava an'Andrianamboniravina, ety Beravina atsin ana n' Ankadivoribe.
Ary niteraka Andrianamboniravina an'Andriampandrana, eroa Ampandrana.
Ary Andriampandrana niteraka an'Andriandohafandrana.
Ary Andriandohafandrana niteraka an'Andriampandramanenitra.
Ary Andriampandramanenitra niteraka andRafandrampohy.
Ary Rafandrampohy niteraka andRafandrandava.
Ary Rafandrandava niteraka andRangita sy Rafohy, eroa Merimanjaka.
Ary Rafohy niteraka an'Andriamanelo etsy Alasora.
Ary hatr amy ny Andriamanelo ka hatr'amy ny Ranavalonareniny: Andriamanelo niteraka andRalambo, eo Ambohitrabiby.
Ary Ralambo niteraka an'Andrianjaka eto Antananarivo.
Ary Andrianjaka niteraka an'Andriantsitakatrandriana ao Antananarivo.
Niteraka kosa Andrintsitakatrandriana an'Andriatsimitoviaminandriana.
Ary , Andriatsimitoviaminandriana niteraka an'Andriamasinavalona.
Ary Andriamasinavalona niteraka azy 4 dahy : —Andriantomponimerina eroa Marovatana.
—Andrianjakanavalomandimby navels ny etsy Merinatsimo.
—Andrianavalonimerina navela ny eroa Ambohitrabiby.
—Andriantsimitoviaminandriana navela ny eroa Ambohimanga.
Ary zanak'anabavy n'Andramasinavalona, Ravololondralambo navela fly etsy Lafy, ary nampivadina zanak'olona mianadahy izy.
Ary Andriambelomasina nomena ho tompo n'Avaradrano, dia Andrianjafy no zana'ny. Ary hoy Andriambelomasina nianiana : « Tontolo andro no ani' ialahy, fa ny faran'andRamboasalama, » Andriampoinimerina no Rambnasalama.
Ary Andrianampoinimerina nabefa any Marina.
Dia Lahidama no zana'ny nome'ny handimby ny fanjakana.
Dia ny farany nome'ny any Mavo — Rabodonandriampoinimerina no natao ny Mayo tompo ny Marina.

FILAZANA HAFA KOSA INDRAY[edit]

Andriandravindravina vanalohany ny Vazimba any Ambohitsitakatra, any avaratra : dia nankany Vodivato amoron'ala, dia nankany Ambohitsitakatra nipetraha'ny

dia niteraka azy 3 lahy
Andrianoranorana lahimatoa nankany Maroantsetra

amorony ny ranomasina avaratra; ary Ramasovoariaka, lasan-ko vady ny, dia niteraka andRamarobe ; Andriamanjàvona, dia etsy Angavo no ipetraha' ny ; Andriananjavonana, teo Anandribe ny tany ipetrahá ny, akeki-n'Angavo andafy andrefana. Eo Ambohitsitakatra no milevina Andriandravindravina ; olo-masina izany nivavahany ny tato aoriana.


Ary tamy ny Andriandravindravina any Ambohitsitakatra ny nisehoany ny trandra-binaky. Tsy robots nisy vary, tsy mbola nisy mangahazo ambany vomanga, mbola vitsy ny olona aty ambony, mbula vazimba tsirairay, ala maizina avokoa izao tontolo izao. Ary izy 2 lahy Andrianoranorana sy Andriamanjàvona nitady hanina, trandraka fray monja no azo ny : « Alao izay ho anao : ity tany se ity trandraka ? » hoy Andrianoranorana, fa samy reraka. — « Foy nao ? dia sitrak'ao izao teny izao ?» — « Eny, » hoy izy — « Ento ho anao ny trandraka, avelao ho ahy ny tany, » hoy Andriamanjavona. Dia lasan'Andriamanjavona ny tany. Ary no loahany Andrianoranorana ny hazo itonoa'ny ny trandraka : « Maniry amy ny tany ko ny hazo ! aza atao eo, » hoy Andriamanjavona. Lasa indray Andrianoranorana nifindra amy ny rano, nanao zahitra : « Mandry amy ny tany ko ny rano, ka ahy,» hoy Andriamanjavona. Nony niala amy ny rano indray Andrianoranorana, tsy nisy haleha ny intsony ; dia nanao teny ieràna amy ny Andriamanjavona: «Avelao ho sasahina ty trandraka, raha tia' nao izany. » — « Eny, tia' ko. » Dia natono. Dia no sasahina novakina hatr' amy ny loha ny ka hatr' amy ny rambo ny ny trandraka : «Dia izay. miditra eto amy ny tany nao, « dia anao ny antsasa' ny, hoy Andrianoranorana montsy ny hazaina : izay azo « ko sy ny ira' ko, dia hianao no tompo ny antsasa' ny, fa anao rahateo ny tany.» Izany no nisehoany ny ohatra hoe Trandra-binaky lahy! tsy hila izay halaina, fa mitovy ireo ; ny sahala no aleha ny ohatra. Ary Andrianoranorana nisehoany ny fizarana mampifidy, izy zoky nampifidy ny zandry ny: «Iza no ho anao ity sa itsiana ?» — Ary hoy ny zandry : « Hifidy aho raha tsy mah' alahelo anao. » — « Alao kosa izay ho fldi' nao. » — « Dia ahy ny tany.» — « Ento ary, » hoy ley zoky. Dia no finidy ny zandry, ka tsy afaka nifody intsony izy zoky.

Ary izao no fisaraky izy 3 lahy : Andrianoranorana lasa nianavaratra nankany Maroantsetra; ary izy 2 lahy, ny iray ao Angavo, ary ny iray eroa Anondribe, mifanao atsinanana sy andrefana Angavo sy Anandribe.

Ary Andriamanjavona nanambady an' Andriambavirano[3] tery Angavo, niteraka andRajanahary nanketo Ambohijanahary (ambony atsimo ny Mahamasina).

Ary izay Razanahary, vehivavy eto Ambohijanahary niteraka andRafaravavy, tery Farihy ambany avaratry Merimanjaka. Ary milevina ao an-tampon' Ambohijanahary Razanahary, tonga vazimba ao. — Tamy ny Lahidama, saikia nasiany Rafanoharana fasana tao an-tampon' Ambohijanahary, ka tsy navela ay Lahidama : Izay Razanahary no ao » hoy izy. Izay no tsy namela'ny hanao fasana.

Ary Rafaravavy niteraka azy 4 mianadahy: Andriampdndrana nankery Ampandrana; sy Rafaramahery, vavy, ery Ampandrana hiany; sy Ratsiseranina, eny Andraisisa akeky n' Ampandrana ; sy Rafohy, vavy, nipetraka ery Merimanjaka. Ary Ampandrana, ambany andrefan' Ambohitraina, no antsoina aloha amy ny fanononana, mbola Vazimba voalohany izany, mbola tsy nisy fanjakana; vao nasiany Ralambo didy ny fiantsoana hoe : « He ny any Ampandrana! He ny any Merimanjaka! He ny any Alasora!» Ny any Ampandrana: dia Andriampandrana, dia Rafandrandava, dia Rafandrampohy, dia Rafandramanenitra, milevina ao, sy Rafaramahery,

Ary nankany Alamanga (Antananarivo) Andriampandrana nanao orimbato natsato' ny ao ampovoany ny tampona indrindra natao hoe, Am-bato-ndRafandrana: «Atao ko orimbaton-dRafandrana ity,» hoy izy — Ao ankehitrio ny vato.

Ary Ratsiseranina tsy nanoa teo Andraisisa: fa tsy mbola nisy ny manoa, fa nisaraka izy mirahavavy : ny iray niankandrefana nankany Andraisisa, Ratsiseranina; ny iray .niantsinanana nankany Merimanjaka sy Alasora, Rafohy.

Ary Rafaramahery, any Ampandrana, niteraka andRamavobe ; ary Ramavobe niteraka an' Andrianamponga; ary Andrianamponga vao aterina hankany Sam- .pazana an' ila n' Ambohimahatakatra, ary any izy niteraka an'Andriandranolava. Ary Andriandranolava, nitoetra teo Ambatomanoina eo no milevina, sy Rabolobolo sy Andrianambolo vazimba teo aloha. Ary Andriandranolava nisehoany ny fanjakana ifanoavana; ny iray manjàka, ny iray tnanoa, Andriamoraony zoky ny nanoa. Izy no nisehoany ny kabary: boy hono, ny Vazimba, «inona moa no kabary?» ary hoy no famaly, « tsy izaho no tom po ny kabary, fa Andriandranolava no tompo ny kabary. » Izy nisehoany ny tompo ny hiany fa tay andrano- lava: fa tsy mahazaka kanefa tompo ny hiany.

Ary Baroa lehilahy lehibe mpandidy amy ny Andriandranolava; ary hoy ny olona: «Ataovy izay hevitra ny fanjakana,» hoy izy montsy an' Andriandranolava. — Ary hoy Andriandranolava : « Tompo ny hiany fa tsy an-drano-lava.» 'rany tsy vita izany. Ary no bedainy Baroa ny vahoaka, ka ny vitsy no haniny ny maro, ny madinika no haniny ny vaventy ; ka nilazàna laingia ny andriana sy ny vahoaka; izany nisehoana hoe fanjakana ny Baroa: tsy nampitombo fa nampihahaka ny vahoaka. Ery avaratr' Ambohimalaza ao Andraomara ao i Baroa, no milevina.

Ary Rafohy kosa, atsy Merimanjaka, niteraka andRangita. Ary Rangihr niteraka azy 2 lahy: Andriamanelo sy Andriamananitany; ny iray napetraka ao Alasora, Andriamanelo; ary ny iray eroa Ambohitrandriananahary, Andriamananitany. Ary niteny Rangita sy Rafohy: «Ny alakamisy an' Andriamanelo, ary « ny zoink an' Andriamananitany. Izaho no manao izany : hianao Andriamanelo « no atao ko aloha ny anjaka' nao, ary ny aoriana kosa an' Andriainananitany: « atao ko fanjakana arindra. » Izany no nisehoany ny hafa-drazana fanjakana 'arindra: ka ampandiasina, ny zoky no zoky amy ny titondràna. Mbola maro andriana ny tany, samy andrian-ko azy, samy mitady izay anjaka' ny anaty ny fonena' ny tamy ny izany.

Ny fanjakana arindra: misy zoky sy zandry &, raha mandrindra ny raiamandreny, dia ny zoky mitondra aloha, ary raha lasana ny zoky dia mandimby kosa ny zandry; izao no nandrindràny ny raiamandreny azy, fanjakana arindra izany, ny raiamandreny no manendry, koa zaka ifandiasana — « Arindra ko ny fanjakana, hoy Andrianampoinimerina, atao ko mivady ireo « Lahidama sy Mavo ; any Lahidama ny aloha, ary raha mby amy ny farana any Mavo.


  1. Andrianizinizina no vazimba voalohany tao Fanongoavana; dia niteraka an' Andrianalinalina nandimby azy kosa any Fanongoavana. Andrianalinalina niteraka an' Andrianamponga teo Fanongoavana, hoy R.
  2. Ary ity Andrianerinerina, hoy ny Manuscrit, dia zanak' Andriamanitra latsaka avy any an-danitra hilalao amy ny Vazimba eroa Anerinerina. by izy. TANTARA NY LALAO NY VAZIYRA TEROA ANERINERINA TEO AVARATRY KILONJY Ary nalatsak' Andriamanitra ny Zana' ny nilalao tam ) ny Vazimba, ka hoy Andriamanitra
    • Iny Zana' ko my te-hilalao amy nareo : aza mba akekena ny ondry, fa tsy ho-
    • man ondry ny Zan' ko. • Ary hoy kosa iley vazimba anankiray fotsi-fanahy : • Aira handrahoi' ntsika amy ny • vilany fahandroan-ken' ondry hizaha' ntsika. • Ary nony no handrahoi' ny izany, dia nampihinani' ny Zanak' Andriamanitra. Nony hariva ny andro, tsy afaka nody izy ; ka hoy Andriamanitra : • Nahoana moa izato Zana' ko no ahenahena nareo aty ambany aty ? • — Ary nirifatra ny Vazimba. Tezitra Andriamanitra : • Vorio avokoa izay Vazimba eto ambany eto. p — Ary raha vory ny Vazimba, hoy ny nalahatr' Andriamanitra : • Alao izay ho anareo : ny zanak'o • my va no ho tompoi' nareo, fa ny ai' nareo no ho votsora'ko. • — • Aleo nay ny za- • nak'ao no ho tompoi' nay, toizay ny ai' nay no ho votsorana ho faty. • — Ary boy izy. • Any ny Zanak'o, anarany in Zanak'o io, Andrianerinerina. • Roa nampidinana ny zanak' Andriamanitra vehivavy tany an-danitra ho vady ny, ary dia niteraka an' Andriananjavonana aroa Angavo atsinanana izy. Ary niteraka Andria- Ranjasonana an' Andrianamponga, 6.
  3. Andriambavirano, vady n' Andriamanjavona, dia avy any an-danitra ny iavia' ny' Hoy ny tetiarana — ravin-kazo latsaka eo amy ny farihy, eo an-tampon' Angavo misy farihy, dia latsaka eo ny ravin-kazo. Ary hita ny Kioto ankizy lahy n'Andriamanjavona teo Angavo : raisi' ny ka tsy azo ny raisin ; kanefa manitra dia manitra izao ravin-kazo izao. Dia nilaza tamy ny andriana i Kioto : • Andeha isika hankao, . hoy i Kioto. Nandeha ny andriana. Nony nakekena, manitra dia manitra nv ravin-kazo : no raisin' Andriamanlavona, ka tsy azo. Ary niteny Andriamanjavona : a Raba andrian-dray andrian-dreny aho, hahazoa' ko moramora io. » Dia no raisi' ny, dia azo ny. Dia nenti' ny an-trano natao ny anaty vata. Dia nisy tongotra aman-tánana, nody olona io. Ary nony nody olona, nony sokafana ay vata : tsy zaka ny izy 2 lahy sokafana. Ary nony lasana izy 2 lahy nivoaka, izy irery no ao, dia alai' ny ny nahatdro sy ny vary, potehi' ny : hampiseho fahagagana amy ny izy 2 lahy. Nony avy any an-tsaha izy 2 lahy, gaga izy 2 lahy : • Avelao handrasa' ko, boy i Kioto, mitsidika amy ny kitay. » Ary dia nivoaka Andriambavirano dia no potehi' ny ny vary sy ny laoka ; nony efa tapitra ny namoteha' ny ny laoka, dia niakatra hankao amy ny vata ; tsy mbola tonga ao am-bata ka azo ny Kioto : a Aza maka ahy, ry Kioto, aza milaza amy ny Andriamanjavona. a — a Tsy avela ko, boy i Kioto, dia amboari ko ho vady ny ». Vetivety foana, vonona ny Iambs, vonona ny vola, vonona ny flhaingioana rehetra : fa andriamanitra izy. Dia lasan-ko vady n' Andriamanjavona. Dia nampirafy Andriamanjavona. Ary nony indray andro, dia no vonoiny ny vadibe Andriambavirano : ary no velomin' Andriamanitra indray izy ; nantsoin' Andriamanitra : Andriampanointointaolana sy Andriampanafosafoninofo sy Andriantomponiaina, natao ny ira' ny hahavelona azy, dia velona. Dia nody amy ny Andriamanjavona : dia gaga ny vadibe « zanak' Andriamanitra tokoa I maty ka velona indray 1 • hoy izy. Dia niteraka 3 mianadahy indray mileraka Andriambavirano. Dia nalao ny vadibe a nitera-doza niterak' antambo, niteraka • mondro-kofafa, ary niteraka fandalo -drary, ary niteraka vato-kilonjy. » Dia natao ny amy ny vata izy 3 mianadahy, dia navalana ny rano. Ary Kionantitra mipetraka eroa amoron-drano, a inona ily mivalana amy ny rano ? » no sakanana amy ny zahatra. nakarina eny an-tanety, no sokafana : zaza kely 3 no tao, dia no halehibeazina ; dia nitombo ny zaza kely, dia nasiana anarana : Rabingoanony lahy matoa, Andrianjatovorovola lahy aivo, ary Ratandratandravola vavy tokana. Dia nihialehibe izy 3 mianadahy, dia nankany amy ny Hanakombe mpanandro malaza, dia lasan-ko vady n' andriana any andrefana Ratandratandravola etc. Ary aiteraka indray Andrimbavirano niteraka andRazanahary, hoy ny tetiarana.