Ilay mpanjaka naniry hanana anaka

From Wikisource
Jump to navigation Jump to search

Fahiny elabe hono dia nisy fanjakana kely nanana mpanjaka hendry aok’izany ka niadam-pinaritra ery ny vahoaka nentiny.Kanefa hono na dia faly sy finaritra aza ny vahoaka,dia teo ihany ny indro kely teo anivon’ny fanjakana satria na dia naniry anaka aza ny mpanjaka mivady dia nahazo izay niriny.

Nandramany avokoa ary ny ody rehetra,fa fehizay moa dia ny ody no nanjaka.Indrisy anefa fa ireny rehetra ireny dia tsy nisy nandaitra avokoa. Tapa-kevitra ary ireto mpivady fa hangata-tsodrano amin-janahary .teny an-dalana anefa hono izy ireo dia nifanehatra tamin’ny lahy antitra iray izay nanoro hevitra azy ireo hiampita ny nosikely iray.Mafy moa izany te hanan’anaka ka tsy nisalasala izy ireo nanaraka ity torohevitra ka dia niandakana izy ireo.Indrisy anefa fa misy mamba ity renirano niampitana ka indreny andiana mamba niriotra nanenjika ity lakana kely .Nivadika ary ity lakana ,faly ary ny mamba fa hihinana azy mivady kinanjo indreny kosa andiam-bibilava nisosa mora toa zahatra niantsampy tamin’ireto mamba ka vaky nandositra izay tsy maty teo no ho eo.Dia tahaka izany hono no nahatafitan’izy ireo ilay nosy kely rehefa nampian’ireto bibilava hiampita ny rano.

Dia nandeha hono ny andro ka nisosa teny ny volana .Niherina aza ny taona ka inona hoy ianareo fa nitoe-jaza ny vadin’ny mpanjaka.Hafaliana moa ny an’ny vahoaka fa hanana mpandimby ity mpanjaka hendry.Hfaliana tsy roa aman-tany ny azy mivady fa nairy anaka ka nahazo kamban-telo.rehefa teraka aza ramatoa, ka nitombo ny zaza.Dia endrey izany hafalian’ny rehetra ,indrindra ny tovovavy mitazana ny hatsaran-tarehin’izy mirahalahy. Tsara ilaimatoa ,fa ilaivo no tsara indrindra hoy ny hiakan’izy ireo.

Fa Ifaralahy kosa hon tsy nisy mpitia satria ratsy tarehy aok’izany sady vohoka no fohy ka rehefa tonga hono ny vahiny mpitsidika ,dia nafenina aok’izany ifaralahy sao mahatsiravina ny vahiny ka indro ifaralahy mitomany ireny mifono anaty tsihy eo anjoro rindrina.

Indray andro anefa ifaralahy rehefa avy naka kitay tany anaty ,fa tonga boton’izy mirahalahy mantsy ifaralahy,dia reraka sy torovana aok’izany ka nianjera .Vaky ary ity trafo ka nanaintaina azy aok’izany.Hafaliana moa ny azy mirahalahy,fa alahelo kosa ny an’ny mpanjaka mivady fa na dia ratsy tarehy aza ifaralahy, zanaka nateraka ka maharary.Fa ny alikan’ifaralahy kosa hono no nitsetra azy indrindra ka endrey ny fipenipeniny milelaka ny ratran’ifaralahy.

Rehefa naharitra ela ary ity ratra dia koy ifaralahy nihiaka mafy:

— Ry alikako rorito ny tongotro ; dia nandroritra ny tongony ity alika ka endrey fa tonga lava aok’izany ity tongony

Dia hoy koa izy:Ry alikako rorito ny tanako,dia lasa lava koa io. Ka dia nataony toy izany avokoa ny vatany manontolo ka tonga goavana sy mahatahotra ifaralahy. Natahotra avokoa ary ny vahoaka fandrao hono ifaralahy hamaly faty ka hamono ny vahoaka manontolo.Tsy nanao izany anefa ifaralhy fa nanampy ny vahoaka aok’izany ka tonga mamin’ny vahoaka. Fa izy mirahalahy kosa no nokekerin’ilay alika ka tonga romotra sy lasa ratsy terhy aok’izany.

Goavana loatra anefa hono ifaralahy ka tsy nisy trano omby azy tao an-tanana.Ka teny anelankelan-trano izy no nandry.Rehefa ela hono ny ela ka niharitra ny orana sy hatsiaka teo ifaralahy dia nihena ka tonga tsara tarehy .Izy no nadimby nanjaka rehefa maty ilay mpanjaka rainy. Ka niadam-pinaritra ny vahoaka.