Fandikana malalaka ny Fanapahan-kevitra n°16-HCC
Titre : Dikateny malalaky ny Fanapahan-kevitra N° 16-HCC Auteur : Traducteur : Raclewp
Naoty :Fandikana malalaka ny Fanapahan-kevitra n°16-HCC (21 aogositra 2026)- tsy ofisialy fa mba ho azon'ireo manandrify ny teny ampiasana ity didy ity. ary ho fanohizana ny vaovao mikasika izay voalaza tao amin'ny Wikipedia amin'ny teny malagasy
FANAPAHAN-KEVITRA LAHARANA FAHA-16-HCC tamin'ny 21 Aogositra 2026
MOMBA NY LALÀNA MIKASIKA NY POLITIKAN'NY FAMPIASANA NY TENY MALAGASY SY NY ZO ARA-PITENENANA ETO MADAGASIKARA
NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALÀMPANORENANA
[edit]- FANAPAHAN-KEVITRA LAHARANA FAHA-16-HCC tamin'ny 21 Aogositra 2026
MOMBA NY LALÀNA LAHARANA FAHA-2026-005 MAHAKASIKA NY POLITIKAN'NY FAMPIASANA NY TENY MALAGASY SY NY ZO ARA-PITENENANA ETO MADAGASIKARA
NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALÀMPANORENANA
Rehefa nandinika :
Ny fanapahan-kevitra laharana faha-10-HCC/D3 tamin'ny 14 Oktobra 2025 ; ny Hevitra laharana faha-02-HCC/AV tamin'ny 19 Janoary 2026 momba ny fiafaran'ny fe-potoam-piasan'ny Antenimierandoholona Ny Didy hitsivolana manan-kery laharana faha-2001-003 tamin'ny 18 Novambra 2001 mitondra ny lalàna fehizoro makakasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ; Ny Fanapahan-kevitra laharana faha-02-HCC/DB tamin'ny 17 Septambra 2021 momba ny fitsipika anatiny mifehy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, novaina sy nofenoina tamin'ny fanapahan-kevitra laharana faha-03-HCC/DB tamin'ny 28 Oktobra 2021;
Ny Fanambaràna Iraisam-pirenena momba ny Zon'Olombelona tamin'ny 10 Desambra 1948, indrindra ny andininy faha-2 ao aminy;
Ny Fanambaràna Iraisam-pirenena momba ny fahasamihafan'ny Kolontsaina tamin'ny 2 Novambra 2001 sy ny fanambaràna momba ny fanabeazana natao tany Thailand tamin'ny 5 ka hatramin'ny 9 Martsa 1990 ;
Rehefa nahita ny lalàna ho dinihana ;
Rehefa nohenoina ny tatitry ny mpampakateny ;
Ary rehefa avy nandinika araka ny lalàna ;
EO AMIN'NY FISEHONY
1. Satria, araka ny taratasy laharana faha-044-PRRM/SGP/DEJ/2026 tamin'ny 20 Jolay 2026, voaray sy voasoratra tao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin'io andro io ihany, dia nametraka fangatahana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, araka ny andininy faha-117 amin'ny Lalàmpanorenana, mba hanaovana fanaraha-maso raha mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana ny Lalàna laharana faha-2026-005 mikasika ny politika fampiasana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara, alohan'ny hamoahana azy ho manan-kery.
2.Satria, araka ny andininy faha-116 andalana voalohany amin'ny Lalàmpanorenana : "Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, araka ny fepetra voafaritry ny lalàna fandaminana no manamarina ny mampifandraika amin'ny Lalàmpanorenana, ny fifanarahana iraisam-pirenena, ny lalàna, ny didy hitsivolana ary ny fitsipika mahaleo tena." Ary araka ny andininy faha-117 : "Alohan'ny amoahana azy ireo ho manan-kery, ny lalàna fandaminana, ny lalàna ary ny didy hitsivolana dia tsy maintsy atolotry ny Filohan'ny Repoblika eo anatrehan'ny Fitsarana Avon'ny Lalàmpanorenana izay manapa-kevitra ny maha-mifanaraka azy amin'ny Lalàmpanorenana."
3.Satria ny Lalàna laharana faha-2026-005 dia nolanian'ny Antenimierampirenena nandritra ny fivoriana ara-potoana tamin'ny 1 "jolay" 2026.
4.Satria, noho ny fanajana ireo fepetra voalazan'ny Lalàmpanorenana momba ny fanaraha-maso ny fifanarahan'ny lalàna amin'ny Lalàmpanorenana, ny fangatahana napetraky ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika dia ara-dalàna amin'ny endriny ary azo raisina.
EO AMIN'NY VOTOATIN-KEVITRA
5.Satria, ny anton'ny Lalàna laharana faha-2026-005 dia ny: • fanomezana lanja ny teny malagasy, izay andry iray maneho ny ilo maha Malagasy eo amin'ny fiarahamonina ; • fanamparihana ny fampiasana ny teny malagasy ( izay teny tokana maneran-tany) eny amin'ny biraom-panjakana sy amin'ny sehatra ara-dalàna ; • ahatonga ny Malagasy rehetra mahafantatra ireo zava-misy mahakasika azy ary hahatakatra izay ambaran'ireo tolotr'asa samihafa ; • hametraka vaomiera manokana misahana ny teny malagasy sy ny fandrindrana iarahana amin'ireo rantsa-mangaika voakasika.
6.Voalaza ao amin'ny Teny sava-ravina ny Lalàmpanorenana fa ny Vahoaka Malagasy manana ny fiandrianam-pirenena dia : "Resy lahatra fa ilaina ny fiverenan'ny fiarahamonina malagasy amin'ilay ilo tsy very, dia ny Soatoavina maha Malagasy." Ary ny andininy faha-4 amin'ny Lalàmpanorenana dia milaza fa : "Ny teny ara-dalàna dia ny teny malagasy sy ny teny frantsay." Io fepetra io dia tsy mametraka mihintsy fanavahana eo amin'ny teny malagasy sy ny teny frantsay ary manome malalaka hisafidy amin'izy roa eo amin'ny fanabeazana sy ireo fampiharana ara-dalàna eto Madagasikara.
7.Satria, ny anton'ity Lalàna laharana faha-2026-005 ity momba ny politikan'ny fampiasanana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara, dia ny fanomezana lanja sy fanaparihana ny teny malagasy, dia tsy misy afa-tsy ny fanatanterahan'ny hetahetan'ny vahoaka malagasy izay voalaza ao amin'ny Sasin-tenin' ny Lalàmpanorenana.
Mikasika ireo andininy faha 6, 13 andalana faha 2, 14, 15, 16, 18, 27 ny lalàna ho ankatoavina
8.Satria, na izany aza, ireo andininy ireo dia manery ny fampiasana ny teny malagasy amin'ny fanabeazana, amin'ny fiofanana, amin'ny fifandraisana eo amin'ny olom-pirenena, ary amin'ny serasera ara- panjakana ; ny tery tahaka izany dia mifanohitra tanteraka amin'ny fahafahana misafidy napetraky ny andininy faha-4 amin'ny Lalàmpanorenana ; ka rariny raha ambara fa tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana ireo andininy ireo.
Momba ny andininy faha 28 amin'ny lalàna napetraka ho dinihana
9.Satria, ny andininy faha-28 amin'ilay lalàna izay mametraka sazy ara-pitantanana na ara-pifehezana faritan'ny rafitra manam-pahefana isan-tokony raha misy fandikana andininy iray monja ao amin'ilay lalàna. 10.Satria, amin'ny fametrahana sazy noho ny tsy fanarahana andininy iray monja amin'ilay lalàna nodinihana, dia manitsakitsaka ny safidy malalaka voalaza amin'ny andininy faha-4 amin'ny Lalàmpanorenana ambara eo ambony io andininy io. Noho izany dia mifanohitra amin'ny Lalàna fototra izy.
11.Satria, ireo andininy voalaza etsy ambony ireo no fototra sy votoatin'ilay lalàna ho dinihana, ka ny fanesorana azy ireo dia manafoana ny hevi-dehibe sy ny anton'ilay lalàna ; araka izany dia ambara fa tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana ny lalàna natolotra ho dinihana.
NOHO IZANY
DIA MANAPA-KEVITRA
Andininy voalohany
Ny fangatahana napetraky ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika dia ara-dalàna amin'ny endriny ary azo raisina.
Andininy faha-2 Ny Lalàna laharana faha-2026-005 mikasika ny politika fampiasana ny teny malagasy sy ny zo momba ny teny eto Madagasikara dia ambara fa tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana.
Andininy faha-3 Ity Didy ity dia ampahafantarina ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta, ny Filohan'ny Antenimierampirenena ary avoaka ao amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika Madagasikara
Ireo no nodinihina sy nanapahan'ny Fitsarana avo momba Lalàmpanorenana nandritra ny fivoriana tsy ampahibemaso sy tamin'ny alalan'ny fifandraisana an-tsary lavitra.
Natao teto Antananarivo ny Zoma faha-iraika amby roapolo Aogositra taona roa arivo sy roapolo enina amby tamin'ny folo ora maraina, ka ireto avy ny mpikambana ny Fitsarana avo nandrafitra azy :
Andriamatoa FLORENT Rakotoarisoa, Filohan'ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana Ramatoa RATOVONELINJAFY RAZANOARISOA Germaine Bakoly, Mpanolotsaina Ambony- Zokiolona Andriamatoa VAZISON Honoré, Mpanolotsaina Ambony Andriamatoa TIANJANAHARY Andriamalaza,Mpanolotsaina Ambony Ramatoa ANDRIAMAHOLY RANAIVOSON Rojoniaina, Mpanolotsaina Ambony Ramatoa RASOLONJATOVO Norovola Haritiana, Mpanolotsaina Ambony Andriamatoa RAZAFINDRAMASY Faralahy Célestin, Mpanolotsaina Ambony Ramatoa ANDRIAMAMPANDRY Haingotiana, Mpanolotsaina Ambony Izay notronin’i Maître RALISON Samuel Andriamorasoa, Lehiben'ny Mpirakidraharaha